Nodimandry i Simon Randria, Malagasy mpanakanto mpihira. Ny sabotsy teo, teny amin’ny trano fonenan’ny zanany, eny Iavoloha ity andrarezina ity no nindaosin’ny fahafatesana. 70 taona izy izao lasa nandao izao. Efa narary am-bolana vitsy, nialoha izao fahafatesany izao, araka ny nambaran’ny fianakaviany. Efa eny amin’ny trano fonenany, eny Ankazomanga, ny vatana mangatsiakany amin’izao. Ny alarobia 14 aogositra 2024 no hanatanterahina ny fandevenana azy, araka ny vaovao azo avy amin’ireo akaiky azy.
Alahelo no nameno ny fo ary fahatsiarovana no nitamberina an-tsaina ho an’ireo mpankafy maro, raha nandre fa maty i Simon Randria. Mpanakanto anisan’ny nanamarika ny taona 70 sy 80. Ny taona 1970 no nanombohany nihira. Nahavitany nitety an’ izao tontolo izao ny mozikany. Nahafantaran’ny maro azy ny fiangaliana ny gadona nataon’ ny Amerikanina mainty hoditra sy ny Negro spiritual ary ny naha mpikambana azy tao amin’ny tarika Kaiamba. Mpanakanto feno tokoa raha i Simon Randria. Ankoatra ny naha mpihira azy, namorona hira sy nitendry zavamaneno ihany koa izy. “Tena ontsa ny fo! Mahatsiaro ny fiarahana rehetra… Misaotra anao tamin’ny kanto rehetra natolotrao ho an’ny Malagasy. Mandria am-piadanana rahalahy Simon Randria. Mankahery ny fianakaviana manontolo”, hoy i Solo Andrianasolo, anisan’ ireo nankafy ny hirany.
Nanambady an-dRaharimalala Angèle ary niteraka ny Dr Andriaharimalala Tahiana sy R. P Andriaharimalala Maherisoa Tantely izy. Ny fianakaviamben’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy izay nilaozan’i Simon Randria.
Lin