Fahombiazana tanteraka no azon’ny Antenimierampirenena teo amin’ny taranja karate, nandritra ny fifaninanam-pirenena Asief 2024, natao tany Antsirabe. Nahazo ny laharana voalohany izy ireo ary nandrombaka medaly volamena 17. Efa faha-14 izao no nahazoan’ity Andrimpanjakana ity fandresena hatramin’ izay nisian’ny fifaninanana. Nambaran-dRafalimanana Voahirana, filohan’ny taranja karate eo anivon’ny Antenimierampirenena, fa na dia kely aza ny elanelana teo amin’izy ireo sy ny laharana faharoa, ny MFA, mbola voatazona hatrany ny anaram-boninahitra. Lesoka, hoy izy, ny fotodrafitrasa izay tsy mifanaraka tamin’ ny fenitra ny tatami. Teo ihany koa ny fahavitsian’ny mpandray anjara avy any amin’ny faritra izay nitondrany fanentanana ny mba hifaninanana. Nitondra fanazavana ihany koa Rafalimanana Voahirana, ny amin’ny tokony hitazomana ny filohan’ny Karate-Do eo anivon’ny Asief, Shihan Andry Jaonera Mahefa, izay tena mahafehy ity taranja ity. Misy mikasa haka mantsy io toerany io, izay olona tsy mahafehy izany akory.
Mi.Raz
Vokatra Karate-Do
1-Antenimierampirenena (volamena 17)
2-MFA (Volamena 15)
3-MJS (Volamena 8 )
4-Medd (Volamena 7)
5-Fitsarana (Volamena 5)