Andrianarison Jhone Love : “Fahasalamana ho an’ny mpiasam-panjakana ny Asief”

Mpiasam-panjakana miisa 13 000 manerana ny Nosy no tonga ao Antsirabe, nandritra ny fanokafana ofisialy ny fifaninananana nasionaly Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires), ny sabotsy lasa teo. Tamin’ny alalan’ny diabe niainga teo amin’ny Lalan’ny fahaleovantena ni­hazo ny kianja mitafo Vato­fotsy no nanombohana tamin’ ny fomba ofisialy ity fifaninanana nasionaly, Asief 2024, ity. Samy nilanja sorabaventy mampahafantatra ny andrimpanjakana sy minisitera misy azy avy ireo mpandray anjara rehetra. Nambaran’ny filohan’ ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), fa tsy miova ny tanjona, ny hampivondronana ny mpiasam-panjakana, fa indrindra ny hanatsara ny fahasalamana ho azy ireo. Ambetitenin’ity filohan’ny Asief ity ny hoe “Fanafody tsy voavidim-bola ny fanatanjahan­tena”. Hatramin’izay nisian’ny fifaninanana Asief, hoy izy, nihena ny taham-pahafate­sana ho an’ny mpiasam-panjakana, nihena ihany koa ny isan’ny voan’ny diabeta sy ireo aretina mitaiza isan-karazany. Misy fiantraikany amin’ny la­finy fandriampahalemana sy fampandrosoana ny firenena ihany koa ity fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana ity ary tafiditra anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Izany indrindra no antony nankatoavana sy nanohanan’ny governemanta ny Asief. Nisaotra ny fanjakana sy ny praiminisitra ary ny mpikambana rehetra eo anivon’ny governemanta, izay teo hatrany nanampy, ny filohan’ny Asief. Teo ihany koa ireo mpanohana marobe niara-nisalahy, ny tomponandraikitry ny faritr’i Vakinankaratra ary indrindra ny mpiasam-panjakana tsy ankanavaka mane­rana ny Nosy. Mbola hitohy hatramin’ny 18 aogositra ity fifaninanana nasionaly 2024 hatao ao Antsirabe ity.

Mi.Raz

Partager sur: