Faha-5 taonan’ny RMDM: «Hitohy amin’ny fanavotam-pirenena ny tolona»

Nanamarika ny faha-5 taona nijoroany ny RMDM. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Nahitsy ireo nandaha-teny tetsy Bel Air, manoloana ny mpitondra, tamin’ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny RMDM. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa tsy mba mihaino ny mpitondra ka tsy mahagaga raha niafara amin’izao misy azy izao ny firenena. Niantsoany sy nanentanany ny rehetra izany fa tsy mbola vita akory ny tolona. “Mbola anaty ady sarotra isika izao. Tsy ho fanarenana ny firenena ihany fa ho fanavotana an’i Madagasikara izao hijoroantsika izao”, hoy izy.
Nanteriny fa iarahana miasa amin’ireo mpitarika politika maherin’ny 20 izany. Eo koa ny fananan’ireo lohandohan’ny fanoherana fotokevitra sy fanetren-tena ka hampahomby ny hetsika ho fanavotana ny firenena. Ilaina ny firaisankinan’ny rehetra anefa izany, araka ny nambarany.
Nanamafy izany ny filoha nasionalin’ny antoko Kintana, i Tabera Randriamanantsoa, ka niantso ireo avara-pianarana sy manam-pahaizana. “Mijoro isika fa maty ny firenentsika. Tsy hita intsony ny haleha sy hosarangotina manoloana ny ataon’ny mpitondra…”, hoy izy. Nambarany ho fanafodin’izany ny fijoroana sy fahasahiana, iarahana amin’ireo mpitarika. Namba­ran’ireo raiamandreny ara-drazana , ARFM, fa atomboka amin’ny rodoben’ny vahoaka ny ho fanavotana ny fire­nena.

Synèse R.

Partager sur: