Nanome voninahitra ny lanonam-pianianan’ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame, ny filoha Rajoelina Andry mivady, ny herinandro teo. Voafidy faninefany hitondra an’ity firenena ity i Kagame. Manamafy orina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta sy ny firaisankina eo amin’ny samy afrikanina izao imasoan’ny filoha Rajoelina izao.
Nodimandry omaly, tetsy amin’ny HJRA, i Mahomed Rachid rehefa notsaboina noho ny aretin’ny fo. Efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Jirama (PCA) izy, sekretera jeneralin’ny antoko HVM ary mpanolotsaina manokan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Filoha mpiara-mitantana ny vondrona Panorama. Tsiahivina fa vao nodimandry iray volana koa ny vadiny.
Nilaza ho tsy mbola mahalala ny momba ny tetiandrom-pifidianana efa niparitaka, ny eo anivon’ny Ceni. “Tsy mbola nampitain’ny governemanta taty aminay ilay didim-panjakana mamaritra izany”, hoy ny eny Alarobia. Efa namoaka ireo tetiandro sy ny antontan-taratasy ilain’ny kandidà ary ny anto-bola ny haino aman-jery samihafa.