“Salon des études” : hanoroana lalana ny tanora

Hiditra amin’ny andiany faharoa, amin’ity taona ity, ny hetsika “Salon des études”. Natokana ho an’ireo hanovo fahalalana eny amin’ny Oniversite na fampianarana ambony sy ny lafiny fanofanana izany, hotanterahina ny 22 sy ny 23 aogositra izao, etsy amin’ny Oriental International, lalana Boulevard de l’Europe, 67 ha. Anisan’ny ho hita amin’ ireo tranoheva marobe, eny an-toerana, ny fisoratana anarana amin’ireo toeram-pianarana ambony sy ny ivontoerana fampiofanana samihafa. Eo koa ny fanoroana lalana ireo tanora vao avy niatrika ny fanadinana bakalorea na koa ireo hisafidy lalam-piofanana hafa manomboka izao. Ma­nampy izany ny fampahafantarana sy fampirantiana momba ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ireo tolotra amin’izao hiatrehina ny taom-pianarana vaovao izao.
Hampiavaka ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara, ny hisitrahana vatsim-pianarana amin’ireo sekoly na ivontoeram-pampianarana sy fampiofanana.
Tsiahivina fa efa nanao hetsika tahaka izao izy ireo tamin’ny taona lasa ka marobe ireo tanora sy ray aman-dreny nitsidika izany ary nahazo sy nahita ireo notadiaviny. “Tsy ho latsa-danja amin’izany ny amin’ity indray mitoraka, andiany faharoa, ity. Ho maro kokoa ireo mpandray anjara hampiseho ireo tolotra samihafa sady tsy hisy rahateo ny vidim-pidirana”, hoy ny mpikarakara ny hetsika.

Synèse R.

Partager sur: