Ceni : “Mila miomana ny mpirotsaka hofidina”

“Entanina ny kandidà hiomana avy hatrany. Tsy hiandry ny fotoana farany hahazoana mameno na manao fanitsiana, raha misy tokony hanaovana izany”, hoy ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’ny fifidianana kaominaly.
Tsiahivina fa atao dika efatra mitovy ny dosie ilaina ho an’ny lisitra kandidà. Eo ny fanambarana iombonan’ny vondrona kandidà, ny taratasy fanamarinana voasonian’ny tomponandraikitra tamin’ny fandrotsahana ny anto-bola, ny dika elektronika ny endrika biletà tokana, ny fanambarana ny fahavononana hanaja an’ireo fepetra momba ny famatsiam-bolan’ny fampielezan-kevitra, indrindra ny amin’ny fangaraharana ary ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny kolikoly.
Takina amin’ireo kandidà tsirairay kosa ny fanambarana voasonia ary voamarin’ny manam-pahefana ny amin’izany, ny kopia lava na ny sora-pahaterahana na ny dikan-tsarin’ny karapanondrom-pirenena, ny taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy nalaina latsaky ny enim-bolana, ny taratasy fitanisan-tsazy (casier judiciaire, bulletin N°3), ny kopian’ny kara-pifidianana na taratasy fanamarinana ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana nohamarinin’ny Ceni. Eo koa ny fanambaran’ny kandidà fa nahaloa ara-dalàna ny hetrany tokony ho naloana tao anatin’ny telo volana farafahakeliny, ny fanamarinana avy amin’ny sampandraharahan’ny hetra ataon’ny kandidà momba ireo hetra efa naloany, ny fanambaram-pananana izay tsy azo anaovana hosoka momba ny fananan’ireo kandidà.

R. Nd.

Partager sur: