Notokanana, afakomaly, ny toeram-panofanana, faculté de Théologie de la METM Dr Rakotobe Andriamaro, etsy Ambohidrapeto. Tonga nitokana izany ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Fiangonanana Misiona evanjelika teratany eto Madagasikara (METM). Nahitana ny Dr Rakotobe Andriamaro sy ny mpitandrina Razafindrakoto Clément ary ny Sanatera Randriamananjara Philibert. “Ilaina ny fanavaozana ny toeram-panofanana tahaka izao mba hanatsarana ny fotodrafitrasa rehefa mandeha ny fotoana”, hoy ny mpitandrina Razafindrakoto Clément raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny an-toerana. Natokana ho an’ny olona miomana ho mpitandrina ny fiofanana teolojia. Maharitra telo taona ny fanofanana ary mahazo mari-pahaizana Licence ny mpiofana. Mbola manohy fianarana eny amin’ny Oniversite Ravelojaona Ambatonakanga ireo izay manomana ny Doctorat amin’ny teolojia. Anisan’ny fepetra takina amin’ny mpiofana ny maha zanak’Andriamanitra, mpandray ny fanasan’ny Tompo eo anivon’ny fiangonana (eo anelanelan’ny 21 – 45 taona). Manana diplaoma bakaloera no ho miakatra. Misandrahaka manerana an’i Madagasikara ity fiangonana ity ary misy synodam-paritany 36 eto an-toerana sy any ivelany.
Mino