SOMBIM-BAOVAO

Voatendry hitsara ny lalao mandritra ny fifaninanana « Nations League Africa 2 », izay hatao any Kampala Ouganda, ny mpitsara iraisam-pirenena, basikety 3×3, U23, Andriamanantsoa Tojonirina Harilala. Fire­nena miisa 12, izay sokajy enina vehivavy sy enina lehilahy no mandray anjara amin’ity fifanintsanana ity.

Raha tsy misy ny fiovana, hivoaka ny 18 aogositra ho avy izao ny lisitry ny mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagasikara, izay hia­trika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana
ny « Can 2025 », izay hatao any Maroc. Tsiahivina fa ny 5 septambra izao ny Barea no ho any Tunisie.

Notanterahina tao amin’ny Kianja Olympique Lluis Companys, ny alatsinainy lasa teo, ny lalao hiadiana ny amboaran’i Gamper, taranja baolina kitra. Norom­bahin’ny Monaco, klioba frantsay izany, rehefa nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny ekipa espaniola, FC Barcelone. Tsiahivina fa tsy nahazo amboara mihitsy ny Barça, tamin’ity taona ity.

Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Varsovie, ny fiadiana ny amboaran’ny « Super Coupe  Eoropa ». Hifanandrina amin’izany ny klioban’ny Real Madrid, Espagne, sy ny Atalanta Bergame, Italie. Raha tsy misy ny fiovana, amin’io fotoana io no hiakatra kianja voalohany hiaraka amin’ny Real Madrid, i Kylian Mbappé, Fran­tsay mpilalao.

Partager sur: