Échecs – “Mada 2024” : ho fantatra anio izay ho tompondaka

Notanterahina nanomboka ny 10 aogositra lasa teo, tany Moramanga, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, sokajy Seniors, lahy sy vavy. Araka ny fanazavana nomen-dRambolama­lalatiana Haja, tale teknika nasionalin’ny Federasiona malagasin’ny lalao Échecs, omaly, hifarana anio ny fifanintsanana ary hofantatra izay ho solontenan’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena, ny taona ho avy.

Tsara ny mampahafan­tatra fa tamin’ity taom-pilalaovana ity, nahatratra 20 ny mpilalao mifanintsana ao amin’ny nasionaly I (N1) raha toa ka 36 ny isan’ireo mpifaninana ao amin’ny nasionaly II (N2). Ma­ri­hina fa izay voalohany ao amin’ny N1 ihany no voahosotra ho tompondakan’i Mada­gasikara. Miakatra ao amin’ity sokajy voalohany ity kosa izay mahazo amboara ao amin’ny N2.

Olympiade d’Échecs

Ankoatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa hiatrika ny lalao “Olympiade d’ Échecs”, any Budapest Hongrie, ny 10-23 septambra ho avy io, ny Malagasy. Manana ekipa roa, lahy sy vavy, i Madagasikara. Misy mpilalao dimy ny sokajy lehilahy ary dimy ihany koa ny an’ny vehivavy. Tsiahivina fa nandray anjara tamin’ity “Olym­piade d’Échecs” ity i Madaga­sikara, ny taona 2022 lasa teo, tany Chennai Inde.

Fitia Randria

Partager sur: