FANTINA sy FINTINA

Hodinihina amin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny hidiran’i Madagasikara ao amin’ny Troïka. Ny filoha Rajoelina no ho filohan’ny Sadc amin’ny taona 2025, araka ny nambarany teny Anosy, afakomaly. Mio­mana handray ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana amin’izany i Madagasikara. Hisesisesy ny fivo­riana an-tampony hatao eto, ary maro ireo filoham-
panjakana hanao fitsidiham-panjakana.

Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’ny diosezin’Ambatondrazaka ny Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, pretran’io diosezy io ihany. Rektora sy prefen’ny seminera zokiny, filozofia Md. François de Salle, Toamasina, izy amin’izao nanendrena azy izao. Teraka ny 13 septambra 1979 izy, zandriny indrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara.

Nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, teny Tsimbazaza tamin’ny 13 aogositra lasa teo ny fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna eto Madagasikara, notarihin’ny ben’ny Tanàna Anosizato Andrefana, Randriambololona Laurence. Ny amin’ny hahazoana miara-miasa ho amin’ny fampandrosoana ifotony no fototry ny fihaonana.

Niisa 96 ny fehin-kevitra tapaka, nandritra ny fivorian’ny minisitry ny raharaham-bahinin’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny Sadc, tao Harare Zimbabwe, ny 13 sy 14 aogositra 2024. Tafiditra tao anatin’izany ny eo amin’ny sehatry ny famatsiam-bola, ny fitantanana ary ny fitsirihana…

Partager sur: