Karaté – “Challenge de Betsileo”: niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka

Notanterahina tany Fia­narantsoa, nanomboka ny 8 aogositra ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana karaté “Challen­ge de Betsileo”. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’i Ma­tsiatra Ambony, teo ambany fiahian’ny Federasion’ny Ka­rate-do malagasy. Namba­ran’ny filohan’ity federasiona ity, Ratefinanahary Émile, fa niakatra ny haavo teknikan’ny mpikatroka. ” Nisy vokany tsara ny fampivondronana sy fanofanana ireo mpikatroka”, hoy hatrany ny nambarany. Ankoatra ny maha fifaninanana tafiditra anatin’ny fandaharam-potoan’ny federasiona ny “Challenge de Betsileo”, na­hafahan’ireo mpifaninana na­natsara ny filaharany ihany koa ity fifaninanana ity. “Mba tsy hisian’ny fiangarana fa izay tompondaka sy tsara filaharana no misolo tena an’i Madagasikara, amin’ny Fifa­ninanana iraisam-pirenena no anton’ny fifaninanana toy izao”, hoy hatrany ny fanazavan’ity filohan’ny FKM ity. Tsiahivina fa mpikatroka ma­nodidina ny 320 no nifaninana tamin’ny “Challenge de Betsileo” ary nandray anjara avokoa ireo tompondakan’i Madagasikara sy ireo efa mandrafitra ny ekipam-pirenena. Ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara indray no fifaninanana manaraka, izay hatao any Toliara, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao.

Mi.Raz

Partager sur: