Toetr’andro miovaova : mahazo vahana ny gripa mahery

Efa miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Na izany aza, mbola mifandimby hatrany ny hatsiaka sy ny hafanana, raha ny zava-misy. “Miteraka aretina eo amin’ny vatan’ny olombelona, indrindra ho an’ny marefo izany zava-misy izany”, hoy ny Dr Rakotonindrainy Norbert, mpitsabo etsy 67 ha. Anisan’ny tena mirongatra amin’izany ny gripa mahery amin’izao fotoana izao. 3 na 4 andro dia miafana ny aretina raha toa ka gripa tsotra ny mahazo ilay olona. Mahatratra 7 hatramin’ny 15 andro mihitsy ny aretina raha toa ka gripa mahery. Miseho amin’ny endriny maro ny aretina, toy ny vatana manakotsako, loha marary, malain-komana, vizana… Mety hitarika any amin’ny aretin-tenda, kohaka, hasemporana ary mety hivalana mihitsy izany. Misy ireo olona hiverenan’ny aretina na dia efa sitrana aza noho ny tsy fahampian’ny hery fiarovana ao amin’ny vatany. Ho fisorohana ny aretina, entanina ny olona hihinana sakafo ara-pahasalamana, tsy hanao reraka ary tsy hiari-tory be loatra. Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny fihinana sakafo mitondra kaloria toy ny siramamy. Mba hahafahan’ny vatana mampitombo ny hery fiarovana. Mora mifindra ny aretina ka ilana fitsaboana haingana sy ara-potoana eny anivon’ny mpitsabo.

Mino

Partager sur: