Antananarivo Renivohitra : hirotsaka ho ben’ny Tanàna Ravalomanana Marc

“Voaraiko ny fangatahana nataonareo mba hirotsahako hodifina ho ben’ny Tanànan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra indray. Efa nilaza taminareo aho fa tsy hiamboho adidy. Efa nanome toky anareo aho fa tsy hamela ny vahoaka malagasy irery. Efa nanambara taminareo aho fa hanokana ny andro sisa rehetra hiainako hanarenana ity firenena malalantsika ity”. Ireo ny nambaran’ny filoha teo aloha sady filoha mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, ho an’ny vahoaka malagasy teny Faravohitra, omaly, taorian’ny fitsidihany ny Ceni eny Alarobia, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly.
Efa nandinika tamin’ny fo tony izy, araka ny nambarany; efa avy niresaka sy nahazo ny tsodrano avy amin’ny fianakaviana, indrindra i Neny; efa avy nifanakalo hevitra tamin’ireo namana sy tapaka mpanao politika sy ireo fikambanana maro samihafa; rehefa avy niresaka tamin’ireo rafitra mikarakara ny fifidianana, ary efa nahazo ny tsodranon’ireo raiamandreny. “Nanapa-kevitra aho fa hirotsa-kofidina ho ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitr’i Madagasikara. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany ho fanarenantsika miaraka ny Renivohitr’i Ma­dagasikara”, hoy izy. Hapetra­ka nanomboka omaly ihany koa ireo fangatahana ny an­tontan-taratasy rehetra ilaina amin’izay firotsahan-kofidiny izay. Mino izy fa tsy hisy intsony ny sakantsakana tsy hahazoan’ny kandidà hirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ho avy.

R. Nd.

Partager sur: