Tokony hanao ezaka tsaratsara kokoa ny fitondram-panjakana momba ny olan’ny Jirama, araka ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny pastora Rakotozafy Denis, teny Anosy, ny alarobia lasa teo, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano izay mavesatra amin’izao. Be ny fitaovana simba, ny fiharian-karena tsy araka ny ilana azy ary eo koa ny fahavoazana ara-toekarena.
Anisan’ny hanamarika ny fihaonana faha-44 ho an’ny firenena mivondrona ao anatin’ny Sadc, anio, ny fifamindram-pitantanana amin’ny fomba ofisialy eo amin’ny filohan’i Angola, i Joäo Manuel Gonçalves Lourenço, filoha teo aloha, sy ny filohan’i Zimbabwe, Dr Emmerson Dambudzo Mnangagwa, izay handray ny fitantanana ny vondrona manomboka izao.
Nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, S. E. M Rasata Rafaravavitafika, sy ny minisitry ny raharaham-bahinin’i Comores, S. E. M Mbae Mohamed, omaly, tany Harare Zimbabwe. Anisan’ny nivoitra nandritra izany ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fandriampahalemana an-dranomasina sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Miisa efatra ireo kandidà mifaninana ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Kaomision’ny Vondrona afrikanina. Anisan’izany Randriamandranto Richard, eo ihany koa i Rayla Odinga (Kenianina), Anil Gayan (Maorisianina) ary Mahamoud Ali Youssouf (Djiboutianina). Nandritra ny fihaonan’ireo minisitra ao anatin’ny Sadc no nampahafantarana azy ireo.