15 taona niarahana nihira sy nizarana ny kanto manerana ny firenena maro ihany koa ho an’i Erick Manana sy i Jenny. Ho goavana ny seho.
I Erick Manana, efa mandalo matetika. An-taonany maro kosa no tsy niaka-tsehatra niaraka taminy, teto Madagasikara, i Jenny. 15 taona lasa izay no nanombohan’ny fiarahana an-tsehatr’izy ireo, ka homarihina amin’ny seho goavana etsy amin’ny Lapan’ ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina izany, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
« Tsy haiko lazaina anareo hoe inona ny mampiavaka ny seho, fa hisy zavatra io fampisehoana io. Aza hadino ny feonareo fa hiaraka hirevy indray isika », hoy ny nambaran’i Erick Manana, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny tanàna Zoari Ilafy.
« Nalahelo aho fa i Erick foana no mandeha fa izaho tsy afaka. Izao aho mba afaka ka tongava bobaka be isika », hoy kosa i Jenny, tamin’ny fiteny malagasy. Eny, ankoatra ny fahaizany ny mozika malagasy, ao anatiny ihany koa ny teny malagasy. «Amiko i Jenny dia Malagasy, satria manana ilay fanahy gasy izy», hoy i Erick. Lasa namany akaiky rahateo ireo mpanakanto niara-dalana tamin’i Erick Manana hatrizay, ka hifanotrona mandritra io fampisehoana io. Anisan’ireny ry Benny sy Bebey, Kolibera sy Nini ao amin’ny Feo Gasy, Voara, ary ireo mpitendry marobe, ahitana an’ireo mpitsoka zavamaneno izay tena hanaingo ny seho.
« Vao nanomboka kelikely izahay no nametrahan’i Erick Manana fitokisana. Niara-niasa foana tao anatin’izay 15 taona izay. Efa fantatrareo fa izahay tena manaja fotoana, ka manomboka amin’ny roa ora tsy diso io », hoy kosa ny fampanantenan’i Hery Randriamampianina, Tale jeneralin’ny Miritsoka Production.
Randria.