Fiforonana andro ratsy: ahina ho lasa rivodoza, hitondra ny anarana Ancha

Ahitana andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, nanomboka ny 15 aogositra lasa teo, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara, omaly. Tsy ahina hanakorontana ny toetry ny andro eto
amin’ny Nosy anefa izany, raha ny vaovao voaray hatrany. Mety ho lasa rivodoza kosa izy io, anio, ary hitondra ny anarana hoe Ancha, raha mahafeno fepetra. 2800 Km any Avaratra Atsinanan’ Antsi­ranana no misy ny foibeny. Sokajiana ho “Perturbation Tropicale” ny tanjany, omaly maraina, noho izy mitondra rivotra manodidina ny 45 Km/ora. Noho ny varatraza izay mitoetra, hikisaka miadana hiankandrefana izy, ao anatin’ny andro maromaro. Mety hivoatra ary ho tonga any Avaratr’Antsiranana izy amin’ny herinandro manaraka. Antony iray nampiforona ity andro ratsy ity ny fandalovan’ny fikorontanana midadasika manakaiky ny Equateur tamin’ny fisasahan’ny herinandro teo. Izay nampahazo vahana ny tsioka avy andrefana.
Tranga tsy fahita firy ny fiforonana andro ratsy amin’ny vaninandro ririnina. Nahitana ny tranga farany toy izao ny jolay 2016, fantatra tamin’ny anarana hoe «Forte tempête tropicale Abela». Tsy dia manelingelina ny tsioka mitoetra any ambony tsy taka-maso ity andro ratsy ity. Nahazo fa­m­pitandremana miloko mena ny eo anelanelan’i Besalampy sy Mahanoro. Fampitandre­ma­na miloko maitso kosa ny eo anelanelan’i Mahanoro sy ny Tanjona Angotsy. Entanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manampahefana isan-tokony.

Mino

Partager sur: