Sampandraharaha iray eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Smev (Société municipale d’entretien du véhicule) na ilay Omavet taloha. Etsy amin’ny Mikoja Nanisana no misy azy. Araka ny nambaran’ny Tale jeneraliny, Ramilijaona Andry, misahana ny “visite de conformité” an’ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-dRenivohitra no asan’ izy ireo. Mampiasa ireo fitaovana manara-penitra ahafahana mandrefy izay fenitra izay izy ireo amin’izany. Misy ny rindranasa iarahany amin’ny “Direction de transport de mobilité urbaine”, misahana ny momba ny antotan-taratasin’ny fiara sy ny «Direction de ressources financières», izay momba ny saram-pizahana, ary ny «Direction d’eau et hygiène», miandraikitra ny fenitra ara-pahasalamana. Ao ihany koa ny mpitatitra izay manana ny fenitra takiny.
Samy manana ny olony manao ny asa manandrify azy, etsy amin’ny Smev Nanisana, ireo sampandraharaha ireo. Rehefa samy mahita fa voahaja avokoa ireo fenitra nifanarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpitatitra vao avoaka ny taratasy fanamarinana hoe mahazo miasa na “apte” ny fiara iray.
Eo no isian’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny Talen’ny Smev satria tsy te hanatratra izay fenitra nifanarahana izay ny tompom-piarakodia sasany na dia efa nasiana fifampitsinjovana ihany aza ireo fepetra. Izahay dia tena sarotiny, hoy hatrany izy, ka manao antso avo hoe atsaharo ny kolikoly, amboary araka ny tokony ho izy ny fiara. Tsy azo ifampiraharahana, tsy azo vidina ny ain’ny mpandeha, hoy hatrany izy.
Lin