Hatao ao amin’ny Kianja Côte d’or Maurice, rahampitso, ny lalao mandroso hikatrohan’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Fihaonana savaranonando hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona ny hiatrika izany.
Miandry ny famoahan’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar, ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena ny rehetra, ankehitriny. Ny Barea izay hiatrika ny lalao roa voalohany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”. Fihaonana hikatrohana amin’i Tunisie sy i Comores, ny 5 sy 9 septambra ho avy izao, any Tunisie.
Hisy fihaonana hitsapana ireo mpilalaon’ny Makis Ladies, anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hifantenana ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dubaï, ny volana septambra ho avy izao, izany.
Hotanterahina anio, eny Ambatomaro, ny
fandevenana ny nofo mangatsiakan-dRandrianofanomezantsoa Richard, mpanao gazety tao amin’ny Radio Television Ravinala fahiny. Tsiahivina fa sady mpilalao baolina kitra nanatevina ny ekipan’ny Association des journalistes sportifs de Madagascar ihany koa Ratompokolahy.