Judo-Afrika Junior: nahazo medaly volamena Rasoanaivo Razafy Laura

Anaram-boninahitra faha-6 norombahin-dRasoanaivo Razafy Laura ny fandresena azony afakomaly, tany Yaoundé Kameronina. Nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior.

Vokatra tsara indray no azon’ny atleta malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Judo, sokajy Junior, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay natao tany Yaoundé Kameronina, ny sabotsy lasa teo. Norombahin’i Laura ny laharana voalohany, sokajy latsaky ny 70 kg ka nahazoany ny medaly volamena. Fandresena intelo nisesy ka hatrany amin’ny famaranana no azony izay nahazoany ity vokatra tsara ity. Ilay Maraokanina, Nassma Essatouri, no nifanandrina tamin’i Laura teo amin’ny famaranana ary resiny. Talohan’izay, mbola nandresy Maraokanina iray, i Yasmine Harris, ihany koa ity judokas malagasy ity nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona ary ilay Egyptiana efa nifanandrina taminy hatramin’izay, i Farida Magdy, no nihaona tamin’i Laura teo amin’ny manasa-dalana. Tafapetraka eo amin’ny laharana fahadimy i Madagasikara tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Junior ity, taorian’ny nahazoan’i Laura ny medaly volamena. I Tonizia kosa no laharana voalohany, izay manana medaly volamena 5, volafotsy 3 ary alimo 3. Faharoa i Egypte, izay nandrombaka medaly volamena 4, volafotsy 4 ary alimo 6. Laharana fahatelo i Maraoka, manana medaly volamena 1, volafotsy 2 ary alimo 6, raha toa ka i Kameronina no laharana fahefatra, nahazo medaly volamena 1, volafotsy 1 ary alimo 7. Tsiahivina fa judokas 3 no nisolotena an’i Madagasikara tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity, nahitana an-dRasoanaivo Razafy Laura (-70kg), Andrianjafitsalama Maylis (-48kg), laharana faha-5, ary Andrianjafitsalama Camille (-52kg), laharana faha-7.

Mi.Raz

Partager sur: