DAKA AN-JORONY: aza manao tahaka ny mpanotrika atody

Mihazakazaka izay tsy izy ny fotoana. Tonga sahady ity ny daty hidiran’ny Barea de Madagascar an-tsehatra. Hiakatra kianja ny omby malagasy. Tsy hiady eo amin’ny kianja mahazatra azy izy fa hifampitrongy any an-tanin’ny mpifanandrina. Tsy manana anjara hilalao eo an-jaridainany noho ny zava-misy.
Tsy famendrofendroana akory ny hilazana fa aleo milamina rehefa manao zavatra. Iaraha-mahalala fa ny fitaovam-piadiana henjana indrindra dia ny fahanginana. Aleo mifampitana amin’ny fahavalo basivava toy izay hifamely amin’ny mpifanandrina tsy miloa-bava. «Tsy resy rahateo ny olo-mangina», hoy ny Ntaolo teo aloha.
Aleo ary tsy handidy alohan’Andriamanitra tahaka ny mpanotrika atody. Ny mitandrim-pamindra mantsy no tsy mba solafaka ary ny tsara fijoro tsy mba mianjera. Vokatry ny fizahozahoan’ireo tomponandraikitra sasany, voasazy tsy mahazo mijery baolina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpankafy ity taranja mpanjakan’ny fanatanjahantena ity, izay mankarary aina ny Malagasy. Tsy afaka hiaina hafaliana toy ireny tamin’ny lalaon’ny Nosy natao tetsy Mahamasina ireny intsony ny mpiondam-baolina.
Aza manao tahaka ny mpanotrika atody intsony ka handidy alohan’Andriamanitra. Ny fikasana mantsy an’olombelona fa ny didy an’izy Tompo irery ihany. Tambolimboli-tadio mahaditsoka, tsingeringerin’ankizy mahafanina fa ny mihambakavaka fanao zavatra mahamenatra. Ny zavatra tsy hay, tsy hibitabitahana. Ny zavatra hay koa anefa tsy hidedadedahana, fa aleo milamina. Izay mangina volamena koa aza manao tahaka ny mpanotrika atody ka handidy alohan’Andriamanitra.
Ny hendry mantsy mpanarina fa ny be di-doha feno arina, koa alao hery àry.

Tompondaka

Partager sur: