ARETINA nendran-gidro: mihatra ny fisorohana ara-pahasalamana eto amintsika

Firenena dimy aty Afrika no efa ahitana ny nendran-gidro amin’izao fotoana izao, tsy mbola misy tranga eto Madagasikara. Efa miomana amin’ny fisorohana ny tomponandraikitra.

“Efa manana paikady fisorohana sy fanakanana ny fidiran’ny nendran-gidro eto Madagasi­kara ny fanjakana nanomboka ny taona 2022 ka mampihatra ny fepetra amin’izao fotoana izao”, hoy ny talen’ny fanaraha-maso ny valanaretina, Vololoniaina Manuela, ny fa­ran’ny herinandro teo. Manana seranana sivy i Madagasikara, ahitana seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina ary mampihatra ny fisorohana ara-pahasalamana. Anisan’ iza­ny ny fandrarahana fanafody ny entana entin-tanana rehetra. Entanina koa ny mpandeha mahatsapa zavatra hafahafa tao anaty fiaramanidina na eny amin’ny seranana hanatona ny tomponandraikitra eny an-toerana. Tsy mbola nahitana tranga nendran’ny gidro eto amin­tsika hatramin’ izao, araka ny voalazany ihany.

Mety hidiran’ny valanaretina eto Madagasikara satria mifanerasera amin’ny firenena hafa ka ilaina ny fampiharana ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fahasalamana.
«Fomba iray fifindran’ny tsimokaretina ny olona marary mankany amin’ny olona salama, ka zava-dehibe ny fanajana ny tsy fifampikasohana», hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­a­ka, dokotera Andriamoni Brusa. Miverina avokoa izany ireo fepetra ara-pahasalamana nampiharina nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19. Hajaina ny elanelana 1 metatra, apetraka ny arovava orona ary sasana matetika amin’ny rano sy savony na gel désinfectant ny tanana.
Fomba fisehoan’ny aretina ny fandrotsirotsinana eny amin’ ny vatana, mafana hoditra, reraka ary manakotsako ny vanin-taolana, mety hisy fivontosan’ny atoditarimo amin’ny vatana. Azo sorohina ny fiparitahan’ny valanaretina.

Vonjy

Partager sur: