Vonona ny hiady amin’ny fanondranana bibidia antsokosoko sy ny kolikoly ny fitondram-panjakana amerikanina. Fantatra izany nandritra ny fihaonambe nasionaly faharoa ho an’ny ady amin’ny fanondranana bibidia, natao teto Antananarivo, ny 13-14 aogositra 2024 teo. Tamin’ny alalan’ny tetikasa USAID Mizana sy Countering Corruption and Wildlife Trafficking (CCWT). “Miara-mamorona hoavy maharitra ho an’ny harena voajanahary eto Madagasikara isika”, hoy ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Etazonia, Stephanie Arnold, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa hiaro ny bibidia tsy manampaharoa sy ny vakoka voajanahary eto Madagasikara isika ho an’ny taranaka fara mandimby. Aseho amin’ny alalan’ny fampivondronana sy fanatsarana ny ezaka, fizarana fahalalana izany.
Nampiroborobo fandaharanasa, nampiasana vola maherin’ny 300 tapitrisa dolara ny governemanta amerikanina nanomboka ny taona 1984. Fandaharanasa iadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ny biby sy ny hazo sarobidy, fitantanana ny harena voajanahary, fanatsarana ny fitantanana ny ala ary ny ranomasina.
Mino