Hotanterahina ny 22 sy 23 aogositra 2024 izao ny «Salon des études universitaires et des formations», andiany faharoa. Hetsika maimaimpoana atao etsy amin’ny foiben’ny Oriental International Ankasina Ankazomanga. “Tanjona ny hahafahan’ny ankizy sy ny tanora hahay hisafidy ny lalam-piofanana tiany hatao rehefa eny amin’ny Oniversite», hoy Rakotoseheno Zina, mpikarakara, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy amin’ny hotel Analamanga Tanjombato, ny zoma lasa teo. Ahitana Oniversite 40 mahery eto an-toerana sy iraisam-pirenena ary hatramin’ny école doctoral handray anjara amin’ny fampirantiana eny an-toerana. Misy ny fifanakalozana sy fifampizarana ho an’ny tanora isaky ny tranoheva. “Anomezana torolalana ho an’ireo ankizy mahakasika ny fisafidianana ny lalam-piofanana arahina eny amin’ny Oniversite, mifanaraka amin’ ny fahaizana tany am-pianarana”, hoy hatrany izy.
5 000 ny mpitsidika andrasana
5 000 ireo mpitsidika manerana ny lafivalon’ny Nosy andrasana mandritra ny hetsika, raha ny fanazavana voaray hatrany. Anentanana indrindra ireo ankizy vao afaka ny fanadinam-panjakana bakalorea ho avy hanatrika izany. Hampiavaka ity andiany faharoa ity ny hisian’ny “tirage au sort” ahafahana misitraka vatsim-pianarana any ivelany ho an’ireo tsara vintana. Ankoatra izay, misy ny tolotra vatsim-pianarana manodidina ny 50% ho an’ireo ankizy maniry ny hianatra any Inde ataon’ny «Sharda University».
Mino