Olona olana

 

Famatsian-jiro sy rano, vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite… Inona koa? Anisan’ny olana miverimberina hatramin’izay ireo, efa an-taona maro. Mandra-pahoviana? Manginy fotsiny ny olana raiki-tampisaka amin’ny sehatra na faritra sasany: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Misy koa ny olana tsy misy mpihaino na mpiraharaha; eny, na misy aza, ohatra, ny fitarainana avy any ifotony. Izany no mahatonga ny fitalahoana avy hatrany dia any amin’ny manampahefana faratampony? Toy ny hoe tsy misy tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga, na tsy misy ny angady mahatapaka ahitra, na tsy misy ny fanaraha-maso sy tatitra isan-drafitra…
Mifatratra aiza avokoa ny fitarainana amin’izany? Na ny fahatokisana, na ny fiandrasana… Anisan’ny olana izay: tomponandraikitra ifotony tsy mahavaha olana, lasa olana. Misy ny miandry baiko hatrany amin’izay atao? Na tsy miraharaha firy izay tsy manohintohina azy, na mitantana toerana fa tsy izay sehatra nifidianana na nanendrena azy… Very vohoka ho azy amin’izany ny fiainam-bahoaka. Anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ny fampandrosoana izay. Mifampiandry? Na mifanilika andraikitra, tsy matoky tena… Mahantra ny vahoaka! Tsy vitan’ny hoe sahirana amin’ny fiainana andavanandro, fa fadiranovana koa fa tsy mahita izay itarainana sy ianteherana amin’izany mahazo azy izany.
Mba hisy amin’izany ny fiovana sy ny fanovana? Izay miova no afa-kanova, izay matoky tena no azo itokisana, izay mahery no afa-kampahery, izay marisika no afa-kandrisika… Fa ny olona tsy mahavaha olana no olana. Mba atao izay lazaina, lazaina izay atao. Izay no anisan’ny andrasana amin’ny governemanta vaovao? Na tsy hisy intsony ny olona olana fa tsy mahavaha olana…

R. Nd.

Partager sur: