Faha-60 taonan’ny Maître Gildas: fahombiazana ny «Gildas Fight Night»

Tontosa ny sabotsy 17 aogositra lasa teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankoron­drano, ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Lano­nana narahina fifaninanana, nampitondraina ny anarana hoe “Gildas Fight Night”. Afapo ny mpikarakara ary fahombiazana no azo nan­dritra ny hetsika. Tanjona, ankoatra ny fankalazana, ny anomezana lanja ny taranja Muay Thaï. Nambaran’ny Maître Gildas fa hita ho tena efa miakatra ny lentan’ity taranja ity amin’izao fotoana izao ary efa maro ny tanora malagasy liana amin’izany. Niakatra ihany koa ny haavo teknikan’ireo mpikatroka.
Tsiahivina fa ady 16 no nitranga tamin’io sabotsy io ary anisany niady ihany koa ny Maître Gildas, izay nahazoany fandresena nandritra izany. Tonga avokoa ireo mpikatroka avy any Antsirabe, Toamasina ary Fianarantsoa, niaraka tamin’ny avy eto Antananarivo. Tetsy ankilany, afapo ihany koa ireo vahiny nasaina, tonga nanome voninahitra an’ity fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Razanajatovo Gildas, mpikatroka, mpitarika ary efa nahazo anaram-boninahitra maro teo amin’ity taranja ity.

Mi.Raz

Partager sur: