Tompondakan’i Afrika: nisaraka ady sahala ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates

Tontosa omaly, tao amin’ny kianja Côte d’Or Maurice, ny lalao savaranonando mandroso hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra. Nisaraka samy tsy nisy nitoko ny Disciples FC Madagasikara sy ny Orlando Pirates avy atsy Afrika Atsimo. Nosahiranin’ny Malagasy tanteraka ry zareo Afrikanina Tatsimo, teo amin’ny 15 mn nanombohana. Nobodoin’ny Disciples FC, notarihin-dry Tendry sy i Armando ary i Tsila, ny kianja. Nirindra tsara ny fanafihana saingy hita ho tsy nety teo amin’ny famaranana. Taorian’io, nanova paikady ny Orlando Pirates. Tsy navelan’izy ireo handamina intsony ny Malagasy fa noraisina ambony avy hatrany. Lasa nanana fahasarotana ny Disciples FC teo amin’ny famoaham-baolina satria ny mpandrindra ny fanafihana mihitsy no tsy navelan’izy ireo handray baolina intsony. Nisesy ny fanafihana nataon’izy ireo saingy tsara rafitra ny fiarovan-tena nataon’i Tantely sy i Ando ary i Andy nampian’i Bono. Na izany aza, tsy nisy ny baolina maty teo amin’ny roa tonta fa io 0 no ho 0 io no nentina niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, nitohy ny fanafihana totoafo nataon’ny Orlando Pirates. Niainga tamin’ny sisiny roa, havia sy havanana, hatrany izany. Matetika no tafaporitsaka ny lohalaharan’izy ireo saingy nahay koa i Mbola, Malagasy mpiandry tsatoby, nanakana ny dakan’izy ireo. Nitsitapitapy ny fanafihana malagasy fa lesoka hatrany ny famaranana. Amin’ny zoma 23 aogositra ny lalao miverina, any Afrika Atsimo.

Tompondaka

Partager sur: