“I Madagasikara no mitantana ny foibem-pitondrana voalohany eo anivon’ny Sadc mandritra ny herintaona, misafidy izay ho lohahevitra hitantanana ny Sadc mandritra ny herintaona. Izy ihany koa no hampiantrano ireo fivorian’ny filankevitry ny minisitra sy ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony ary ny fihaonana an-tampony”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fidiran’i Madagasikara ao amin’ny Troïkan’ny Sadc sy nahavoafidy ho filohan’ny Sadc ny filoha Rajoelina, taona 2025-2026. Ny filoha teo aloha sy ny filoha ankehitriny ary ny filoha hitantana amin’ny taona ho avy ny Troïka. Voalohany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara izany, hanamarihana ny faha-20 taona nidirany ao amin’ny Sadc.
Ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) no mamaritra ny laharam-pahamehana sy ny drafi-pampandrosoana ireo Nosy mpikambana, raha ny nahazoan’i Madagasikara ny toeran’ny sekretera jeneraly amin’izany. Nanao ady sisika no nahazoana izay toerana izay, hahazoana mandray ny fihaonana an-tampony faha-V eto Madagasikara amin’ny desambra. Efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny filoha roa tonta, ary efa nisy ny fijerena ny fahatongavan’ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, eto Madagasikara. Tombontsoa amin’izany kosa ny lafiny fizahantany sy toekarena, ohatra, fa hisintona mpizahatany maro sy mpampiasa vola any avy ivelany. Eo koa ny fahafantarana ny vokatra misy eto an-toerana, ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny fihariana, ny fampifandraisana ny orinasa amin’ny any ivelany…
R. Nd.