Fitantanana ny loza: miray ombon’antoka ny BNGRC sy ny Banky iraisam-pirenena

Lohalaharana amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena miompana amin’ny fiatrehana ny loza sy ireo paikady maro mahakasika ny fiomanana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra ny Banky iraisam-pirenena. Teo anilan’ny BNGRC hatrany izy ireo.

Nitafa sy nifanakalo hevitra ny Tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja sy i Tahir Akbar, manam-pahaizana manokana momba ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, izay voatendry hitarika ny ekipan’ity farany hampandroso ny asa iarahana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nitsidika ny toeram-piasan’ny BNGRC izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Anisan’izany Raseri­jao­na Gael Fetraniaina, izay manam-pahaizana manokana momba ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe.

Marolafy, amin’izao fotoana izao, ny sehatra ifantohan’ny hetsika amin’ireo tetikasa manohana ny fanatsarana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza, vatsian’ny Ban­ky iraisam-pirenena vola. Nahafahana niroso haingana tamin’ny fahalalana ny voina mety hitranga sy ireo tandindon-doza manambana ny fihariana sy ny toekarena, ny sosialy, ny tontolo iainana ary ny fivoaran’ny mponina ny tohana nataon’ny Banky iraisam-pirenena tato anatin’ny dimy taona farany. Vita ny fanadihadiana siantifika nahafantarana ny tandindon-doza voafaritra fa manalokaloka sy mety hiantraika amin’ireo faritra 18 voasokajy ho tena marefo eto Madagasikara manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Nisy ny vokatra miendrika antontan-kevitra sy bokin-tsaritany fanehoana izany (Atlas des risques).
Nanampy tamin’ny fiomanana mialoha, manoloana ny loza mety hitranga, izy ireo. Tafiditra ao ny fanamafisana ny rafi-panairana mialoha misy eto Madagasikara, in­drindra ny hetsika tokony hataon’ny tsirairay mifanaraka amin’izay haavon’ny fanairana nalefa. Anohanana ny ezaka efa ataon’ny BNGRC amin’ny fanomezana fampitaovana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny komity eny ifotony ihany koa.

Vonjy

Partager sur: