Fanabeazana: omena fitaovana ny mpampiofana

Tontosa ny atrikasa famolavolana fitaovana hoenti-manatontosa tantsoroka ho an’ny mpampiofana. Notanterahin’ireo mpamolavola isaky ny foibem-pitondrana voakasika sy ireo tomponandraikitra isaky ny faritra, ny herinandro lasa teo, izany. Voafaritra, tamin’izany, ireo akora fototra ahafahana manodina sy mandrakitra an-tsary ireo tohana omena ny mpampiofana sy ny mpitantsoroka. Ahitana lohahevitra 22, miompana amin’ny «Approche centrée sur l’apprenant », izay fampianarana mifantoka amin’ireo beazina. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara, izany hoe, atao amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ny fampitana fahalalana, mba hanamorana sy hanatsarana ny fampiofanana ireo mpampianatra. Hisitraka ny vokatr’izany avokoa ireo mpanabe sy mpampiofana misehatra amin’ny fanabeazana.

Vonjy

Partager sur: