Nidinika niaraka ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Pr Randrianambinina Blanchard, sy ny praiminisitra teo aloha, Pr Mangalaza Eugène, ary ny minisitry ny Fampianarana ambony teo aloha, Dr Razafindehibe Etienne Hilaire, omaly. Fototry ny fihaonana ny tolo-kevitra hananganana laboratoara ho an’ny fikarohana sy ny fametrahana fakiolten’ny Haisoratra sy ny siansa maha olona eo anivon’ity oniversite ity.
Maresaka ny tsena eny Analakely sy Behoririka amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Mividy fitaovam-pianarana sy kojakoja ilaina amin’ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao ny ray aman-dreny ka tomefy olona ny arabe. Nahitana fiakarana 5 ka hatramin’ny 10% ny vidin’ny fitaovam-pianarana, indrindra ny kahie, hoy ny mpividy.
May ny velaran-tany 4ha rakotra bozaka sy vato ao amin’ny faritra arovana Isalo, manamorona ny lalam-pirenena faha-7, omaly alina. Nohamafisin’ny tomponandraikitra fa ivelan’ny valanjavaboahary ny afo nitranga nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany hariva. Efa voafehy roa ora sy sasany taorian’izay ny afo noho ny fifanomezan-tanana nataon’ny manodidina.
Fanampiana ny olona marefo eto Antananarivo. Mitohy isan-kerinandro hatramin’ny volana desambra izao ny fanampiana ara-tsosialy ho an’ny mponina marefo eto Antananarivo. Vondron’olona tiliana amin’izany ireo olona sahirana, araka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Nisantatra izany ny teo anivon’ny boriborintany I. Tanjona ny hanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy.