Notokanana ny alarobia teo ny fotodrafitrasa, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Salama BNI”, niarahana tamin’ny Fondation Axian sy ny kaominina. Misokatra ho an’ny marary sy ireo mpiteraka ny CSB I vaovao eny amin’ny fokontany Amboaroy, ao anatin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo.
Ahitana efitra dimy, ahafahana mandray marary sy mandray mpiteraka ary manara-maso ny reny mitondra vohoka ny toeram-pitsaboana. Dimy volana ny faharetan’ny asa ary izao efa azo ampiasaina sahady izao.
Vinavinaina hitondra fahasalamana ho an’olona manodidina ny 25.000 ity CSB I ity amin’ny taona 2023 hitsidika io. Ao ireo reny misafo mandritra ny vohoka, ireo hiteraka, ireo hanao fandrindram-piterahana na ireo marary tsotra eny anivon’ny fiarahamonina.
Efa mahatratra fito, amin’izao fotoana, ny toeram-pitsaboana natsangan’ny tetikasa “Salama BNI”. Any amin’ireo toerana sarotra sy lavitra hopitaly no tena anorenana mba hahafahan’ny olona any ambanivohitra misitraka fitsaboana sahaza. Anisan’ny nanaovana ny asa ny tany Mahazaza, Ambohimandroso, Ambanja, Antsahamamy ary Andavadaoka. Tsy latsa-danja koa ny foibe fitsaboana ireo mivadi-tongotra ao Moramanga.
Fantatra fa manodidina ny 70.000 ireo olona misitraka tombontsoa amin’ireo CSB sy ivontoerana efa natsangana ireo.
Tatiana A