Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’ain’olona teny amin’ny RN1 bis, 7 km tsy hidirana ao amin’ny fokontany Iorimbato, kaominina Beravina, ny alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo. Tra-doza tamin’izany ny fiara tsy mataho-dalana avy ny Maintirano saika hihazo an’i Tsiroamandidy. Maty teo no ho eo ny mpamily ny fiara. Naratra kosa ireo namany efatra hafa niara-dia aminy. Isan’izany ny sefo distrikan’Antsalova sy vehivavy iray. Tamin’io fotoana io, nilatsaka tsy ankiato ny orana, nalama ny lalana. Vokany, nivadika sady nilatsaka tanaty hantsana sahabo teo amin’ny 200 metatra teo ilay 4×4 Mitsubishi L200. “Saika ratsy iny loza iny raha toa ka tsy voasakan’ilay vodimanga tao ambany tao ilay fiara”, hoy ny zandarimaria ao an-toerana misahana ny fanadihadiana. Taorian’io, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona namonjy ireo niharam-boina. Nalefa vonjimaika teny amin’ny CSB I ao Iorimbato izy rehetra, avy eo nafindra any amin’ny hopitaly ao Tsiroamandidy. Ankehitriny, tsy misy atahorana ny ain’ireo mpandeha ny fiara. Ny mponina ao amin’ny tanànan’Iorimbato kosa no nandray an-tanàna ny vata-mangatsiakan’ilay mpamily.
Henintsoa H.