Tetikasa FIOVANA: nanatsara ny velon-tenan’ireo tantsaha ny tantsoroka natao

Naharitra dimy taona tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanana ny tetikasa Fiovana. Nitondra fiovana betsaka teo amin’ ny fiainan’ny tantsaha ny fanantanterahana azy io.

Nofaranana, omaly, etsy amin’ny Novotel Ivan­dry ny tetikasa Fiovana naharitra dimy taona, izay notanterahina tany amin’ny faritra Atsimo Antsinanan’ny Nosy. Nahazahoana tantsoroka samihafa avy amin’ny USAID sy ny Adra niarahana tamin’ny minisitera isan-tsokajiny. Nanatsara ny velon-tena sy ny fari-piainan’ireo olona 431 520 tao anatin’ny 475 fokontany, kaominina 60 ary distrika dimy izany. “Nanova ny fari-piainanay tantsaha ny tantsoroka izay natao tamin’ny alalan’ny tetikasa”, araka ny fijoroana vavolombelona na­taon’izy ireo teny an-toerana. “Anisan’ny ahitana taha am­bony indrindra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny faritra Atsimo Antsinanana ka antony na­naovana ny tetikasa”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Ra­ko­toarisolo Suzelin. Anisan’ izany, ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tsirairay, ny sehatry ny fahasalamana, ny fanjarian-tsakafo, ny fanamboaran-dalana… Tanjona ny hahafahana manatsara ny tontolon’ny famokaran’ny tantsaha sy hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

« 42 %-n’ny zaza latsaky ny dimy taona eto Mada­gasikara dia tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Manodi­dina ny 1 tapirisa sy enina hetsy eo ho eo no tratran’izany any amin’ny faritra Atsimo”, hoy ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Matante Paubert. Anisan’ny ahitana izany ny any amin’ny faritra Atsimo Antsinanana, Fitovinany ary Vatovavy. Nambarany fa anisan’ireo singa ahafahana miatrika ny tsy fanjaraina-tsakafo eto Madagasikara ny fanjonoana sy ny fiompiana trondro. Nohamafisiny fa sady manome asa ny tanora amam-behivavy sy manatsara ny toe-pahasalaman’ny olona ny fihinanana trondro noho ireo otrikaina azo avy aminy. Hahafahafana manalefaka ny fahantrana misy eto amin’ny Nosy amin’ny ankapobeny ihany koa izy io. Vina ny hanitarana ny tetikasa any amin’ny faritra hafa mba hitondrana fiovana eo amin’ny fiainan’ny tantsaha.

Mino

Partager sur: