Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, androany maraina, any amin’ny fiangonana METM ziona maritiora Ankazobe ny fihaonamben’ny diakona eo anivon’ny fiangonana protestanta METM eto Madagasikara. « Arahina antsam-piderana maro samihafa izany androany hariva », hoy ny Révérend Docteur Randriamananjara Philibert, filohan’ny fiangonana METM, raha nampahafantatra ny hetsika. Fanao isaky ny roa taona ny fihaonambe. Manomboka anio ary hifarana amin’ny alahady izao ity andiany ity. “Mazotoa fa aza malaina ary aoka hafana fo amin’ny fanompoana ny Tompo” (Romana 12: 11), io ny lohahevitra mandritra izany. “Hampiofanana ny pastora sy ny diakona rehetra isam-piangonana mba hizarana traikefa sy hampaherezana azy ireo, hahavita soamantsara ny asam-panompoana ankinin’ny Tompo aminy ”, hoy ny Mpitandrina Razafindrakoto David. Miankina amin’ny fiainam-panompoan’izy ireo ny fandrosoan’ny fiangonana ka anton’ny hetsika. Ahitana fampianarana maro samihafa any an-toerana mandritra ny fihaonana. Hanatanteraka izany ireo kaomity foibe eo anivon’ny fiangonana. Handray anjara ao koa ny pastora avy any Californie, France, Canada sy ny avy any Afrika Atsimo. 1000 – 2000 eo ho eo ny olona andrasana hanatrika izany any an-toerana.
Mino