Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany Antsiranana ny fihaonambe nasionalin’ny fikambanana masina Afafi-Fet eo anivon’ny fiangonana katolika. Nanombohana izany ny sorona masina, notarihan’ny Arsevekan’ Antsirananana, Mgr Benjamin Marc Ramarson. Notronin’ny Evekan’Ambanja sy ireo Pretra maro avy amin’ny Diosezy maro eto Madagasikara. Tonga nanatrika izany ihany koa ny aumônier Nationalin’ny Afafi-Fet manerana ny Diosezy eto amin’ny Nosy. Nanomboka omaly 21- 23 Aogositra izao ny hetsika.Tanterahina ao amin’ny kianja manara-penitra Kianjasoa Mitsinjo.
Ambohipihaonan’ireo mpino katolika aman’arivony manerana ny Nosy io fihaonambe nasionaly io. Ankoatra ny mpino katolika, tonga tany an-toerana ihany koa ny filohan’ny Antenimierampirenena, Justin Tokely, sy ny filoha lefitry ny Antenimerampirenena, Mamangy Norbert, faritany Antsiranana. Ahitana ireo solontenam-panjakana maro samihafa ihany koa. Miandraikitra ny filaminana mba hahatontosa antsakany sy andavany ny fankalazana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana.
Hitohy amin’ny fankalazana ny Eokaristika nasionaly izany, izay atao ny 23 – 25 aogositra izao. « Fihavanana hanasitrana izao tontolo izao, mpiray tampo antsika jiaby », io ny lohahevitry ny fankalazana.
Mino