Asan’ny PAF : Polisy 49 hiatrika fiofanana

Hanaraka fiofanana momba ny asan’ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (Paf) ireo polisy miisa 49, nanomboka omaly. Tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry amin’ny fanatsarana ny tolotra sy amin’ny famaliana ny hetahetan’ireo olom-pirenena eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato izany. Hifantoka amin’ny fampahafantarana ny asan’ny Paf toy ny fandraisana ireo mpandeha, ireo dingana amin’ny fisavana sy fanamarinana ireo taratasin’ny mpandeha, ny fiarovana amin’ny famarinan’olona sy ny fanondranana antsokosoko ireo harem-pirenena, ny fisorohana ireo tranga mety hitera-doza ho an’ny sidina sy ny seranam-piaramanidina ny fiofanan’ireto polisy ireto. Handray ny asany avy hatrany ary hiditra amin’ny fampiharana ireo polisy vao notendrena hiasa eny amin’ny Paf rehefa vita ny fiofanana. Nandalo sivana sy fifantenana ireo polisy miasa amin’ny sampan-draharaha manerana ny Nosy izy 49 mianadahy ireto. nanokatra ny fiofanana ny talen’ny fikarohana sy fampiofanana mitohy eo anivon’ny polisim-pirenena, ny Commissaire Divisionnaire de police Rasoamananjara Pierrette Marie Françoise.

Jean Claude

Partager sur: