ASIEF 2024 – Jhone Love : “Vita soamantsara na nisy aza ny olana”

Nanao tatitra mahakasika ny fifaninanana nasionaly natokana ho an’ny mpiasam-panjakana (Asief) 2024, oma­ly, ny filohan’ny Asief, An­dria­narison Jean Aimé na i Jhone Love. Nambarany fa vita soamantsara ity andiany 2024 ity na nisy aza ny olana. Satria nandray fanapahan-kevitra avy hatrany sy nitady vahaolana ny tompondraikitra teo anivon’ny Asief. Nitombo ihany koa ny mpandray anjara. Raha mpiasam-panjakana 10000 ny nandrasana, nitombo ho 13000 no tonga tany an-toerana. Taranjam-panatanjahantena miisa 17 kosa no nifaninanana. Mahakasika ny tsy fanarahan-dalana kosa, minisitera miisa 4, Andrim­panjakana 2 ary nisy  “organisme rattaché” no tratra nampilalao olona tsy ara-dalàna, ka nandraisana fepetra avy hatrany. Efa nanambara sahady i Jhone Love fa any Ma­hajanga no hanaovana ny lalao Nasionaly amin’ny 2025. Taorian’ny fangatahana maro voarain’ny mpitantana ny Asief no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Ma­hakasika izay ihany, efa nampanantena ity filohan’ny Asief ity fa hitombo hatrany ny taranjam-panatanjahantena hifaninanana amin’ny taona ho avy io. Mety hisy “entité” tsy hampandraisina anjara intsony kosa, hoy izy, satria mikiribiby loatra mandika ny lalàna napetraka.

Mi.Raz

Partager sur: