Asa haingana mivaingana

 

Tafajoro ny governemanta vaovao? Arahaba soa, arahaba tsara…Hanao ahoana? Eo amin’ity fomba fiasa, ny asa ho vita… Mazava ny Politika ankapoben’ny fanjakana, in­drin­dra ny fandaharanasa fanatanterahana izany. Asa izao, asa… Tsy vita indray andro, tsy vitan’ny fampanantenana, tsy vitan’ny fahazoana na fahafenoana toerana… Nefa ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka: nampindrana fahefana, nanome fitokisana, namela hitondra. Ho an’izay vahoaka izay, izay antom-pisiana sy antom-piasan’ny mpitondra, tsy izay hahatsara ny fiainany andavanandro ve no tena zava-dehibe sy mahamaika azy?
Eo indrindra izao amin’ny governemanta vaovao… Tsy misy tsy mahalala ny hoe ady amin’ny fahantrana amin’izao? Tena ao anatin’ny fahasahiranan lalina sy maharitra isan’andro vaky mandavantaona ny fiainan’ny vahoaka ifotony, na an-tanàn-dehibe, na ambanivohitra: tsy fandriampahalemana, tsy fahefa-mividy, tsy fisian’asa, tsy… Tsy hita hotanisaina sy hovisavisaina. Tsia, tsy fanakiviana, sanatria, na hoe tsy mahita afa-tsy ny lafiratsin-javatra, fa fankaherezana aza: miandry sy manantena fatratra fiovam-piainana ny vahoaka amin’izay ataon’ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga.
Tsy vitan’izany, eo ny fahavononan’ny maro amin’izay mety ho fandraisana anjara amin’izay azo atao amin’ny hoe fampandrosoana; eny, na eo amin’ny sehatra misy azy sy ny fiainana andavanandro ihany aza, ohatra: inona, aiza, ma­nao ahoana… ? Izay no manamarina sy manamafy ny fifampitokisana, fifanomezan-tanana, fiaraha-mandroso… Dinga­na vaovao izao, ainga vaovao: hiandrandrana asa haingana mivaingana. Izay no hitsarana ny governemanta hoe tsara rafitra? Na azo antoka, tena hiasa, hahavita zavatra… Ho hita eo, fa ny atao no ho hita.

R. Nd.

Partager sur: