Skotisma-Afrika: handray ny fivoriam-paritra i Madagasikara, ny taona 2025

Hifarana anio, any Le Caire (Egypte), ny fivoriana iraisam-pirenena faha-43 ho an’ny skotisma, andraisan’ny fikambanana skoto malagasy anjara.

Naharitra herinandro ny fivoriana, nahitana skoto 2 000, sy mpitarika avy amin’ny firenena 176, araka ny fanazavana azo. Fotoana nandraisana fanapahan-kevitra koa momba ny fikambanana sy ny lalana hitondrana ny hetsika amin’ny hoavy mba hisy fiantraikany amin’ny tanora 58 tapitrisa maneran-tany.
Ilaina ny fanavaozana ho an’ny taona hoavy ka nodinihina ny paikady ampiharina, hitondrana fanatsarana amin’ ny fanabeazana ny mpitarika. Hisy fiantraikany amin’ny fandaharanasa samihafa, hanomana sahady ny tanora hiatrika ny hoavy, ny zavatra tapaka rehetra nandritra ny fivoriana.
Novelabelarina sahady koa ny handraisan’i Madaga­sikara ny fivoriana ho an’ny faritra Afrika, hotanterahina ny taona 2025. Nisy ny fakan-ke­vitra tamin’ireo mpivory ny fom­ba mahomby indrindra amin’ny fikarakarana sy ny fandraisana an-tanana ny fivoriam-paritra. Hita taratra nandritra ny fivoriana tany Le Caire ny vina sy ny tanjona iraisan’ny rehetra hanampy amin’ny fanomanana ny fivoriana ho an’i Afrika manokana. Manana ny tanjona mampiavaka azy ny faritra fa kosa mifanindran-dalana amin’ny zavatra kendrena iraisan’ny skotisma maneran-tany izany.
Nisongadina ny Malagasy mpitarika, Andriantsimba Lucas, satria voaasa handray anjara tamin’ny dinika niarahana tamin’ny sekretera jeneraly lefitry ny Firenena mikambana, Amina J. Mohammed, sy manam-pahefana maro. Nahazoan’ny delegasiona malagasy traikefa ny fivoriana iraisam-pirenena hiomanana amin’ny fivoriam-paritra amin’ny taona hoavy eto amintsika, hampisehoana fa manana anjara toerana koa i Madagasikara amin’ny fampivelarana ny skotisma ato anatin’ny faritra Afrika sy maneran-tany.

Vonjy

Partager sur: