Tontosa tetsy amin’ny “Digital Center” Antaninarenina ny atrikasa momba ny fakan-kevitra nasionaly ho fanomanana ny fihaonambe maneran-tany momba ny fanabeazana, izay hotanterahina any Fortaleza Brésil, ny 31 oktobra hatramin’ny 1 novambra. Ny fanatsarana ny fanambarana ataon’ny Unesco no tanjon’ity fivoriambe ity. Nisy ny fifampizarana sy fampahafantarana ny fanatanterahana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy fahefatra (ODD4) eto Madagasikara.
Nandefa iraka manokana any amin’ny faritra Atsinanana ny Tale jeneralin’ny BNGRC. Hanatanterahina ny fampahafantarana mialoha ireo tomponandraikitra eny ifotony ny fikasana hikarakara fizaran-tena miendrika sarin’ady iatrehina ny loza mitranga ateraky ny rivodoza sy tondradrano no antony. Ny fanazaran-tena dia hetsika fiomanana tokony hatao mialoha ny fihavian’ ny vanim-potoana fahavaratra miaraka amin’ny fanofanana ny isam-batan’olona.
Andrasana, hivoaka anio, ny valim-panadinana bakalorea ho an’ny eto Antananarivo, raha ny vaovao fantatra. Maro, araka izany, ny hetsika fampirantiana samihafa miandry azy ireo eto an-toerana. Hanampiana sy hanoroana lalana azy ireo amin’ny lalam-piofanana tokony harahina eny amin’ny Oniversite. Efa misy ihany koa ireo sekoly misokatra amin’ny fisoratana anarana mialoha amin’ny fifaninanana isan-tsokanjiny eto amin’ny Nosy.