Minisitry ny Mponina: Hijery manokana ireo olona marefo sy ny zokiolona eto amin’ny firenena

Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra mpisolo toerana sy ny minisitra vaovao. Laharam-pahamehan’ny minisitra vaovao ny hijereny manokana ny olona marefo sy ny zokiolona.

Nanatanteraka fifamindram-pahefana sy fitantanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sy ny minisitra vaovao, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. Hentitra amin’ny fanohizana ny tetikasa hanampiana ny marefo ara-pivelomana sy ny zokiolona eto Madagasikara ny tenany, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety, teny an-toerana.
Fitantanana mampiaty no ezahiny hatao mandritra ny fitantana ity minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ity. Laharam-pahamehana ho azy ny hahafahana mijery ny zokiolona sy ny marefo ary ny olona manana fahasembanana eto amin’ny firenena. “Hojerena manokana ny talentan’ireny olona ireny mba tsy ho vesatry ny fiarahamonina fa hifanampiana araka ny talentan’ny tsirairay”, hoy hatrany izy. Nambarany fa manana adidy amin’ny fampihavanana izy ireny satria manana ny traikefany tahaka ny olona tsirairay avy. “Afaka mandray anjara amin’ny fampihavanana sy olona manana ny maha izy azy eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa izy ireny”, hoy hatrany izy nanazava. “Mila jerena manokana izy ireny satria mety mbola hisy afaka handray anjara eto amin’ny Nosy, arakaraka ny traikefany sy ny sokajin-taona ary ny toerana misy azy”, hoy hatrany izy. Manoloana izany, tokony hojerena ny komitin’ny fampihavanana eny anivon’ny kaominina tsirairay avy mba tsy ho any amin’ny fitsarana ny olona vao hifampitady.

Nisaotra ny fitondram-panjakana tamin’ny fanomezana andraikitra ny vehivavy ny minisitra
Ankoatra izay, nitondra fisaorana ny fitondram-panjakana ihany koa ny tenany tamin’ny nanomezana lanja ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny governemanta. Zava-dehibe ny hanomezana izany eo amin’ny sehatra fanapahan-kevitra ho an’ny firenena, mba hahafahana mampandroso kokoa an’i Madagasikara. “Hinoako fa tsy handiso fanantenana amin’ny andraikitra sy fitokisana napetraky ny filoham-pirenena taminy ireo vehivavy nofidiny ireo”, hoy izy nanamafy. Razafinjato Aurélie, notendren’ny filohan’ny Repoblika ho minisitry ny Mponina sy ny firaisankina sady filoha mpanorina ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMF) ihany koa.

Mino

Partager sur: