ESD Nanisana : manan-danja ny lalàna sy ny siansa politika

Mivoatra ny fianarana amin’ny tontolo politika sy ny fitsarana ao amin’ny sekoly ESD Nanisana. Mifantoka amin’ny lalàna sy ny siansa politika ny fampianarana.

Tsy ampy ny isan’ny olona misehatra amin’ny lalàna eto Madagasi­kara, raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Izany no mahatonga ny sekoly ambony momba ny Lalàna sy ny Siansa Politika (ESD) Nani­sana, mifantoka manokana amin’ny fampianarana ny lalàna sy ny siansa politika. Ankoatra ny taranja ianarana any am-pianarana, misy ny fifampidinihana iresahan’ny mpianatra mivantana amin’ny alalan’ny fifandraisana ampitain-davitra amin’ny sokajin’olona vahiny manan-danja amin’ny lafiny politika, toy ny ambasadaoro breziliana, ohatra.

Nivoaka, omaly, ny andiany Tsarajoro ao amin’ny ESD Nanisana. Nambaran’ny laharana voalohany (Major de promotion), Master andiany faha-5, Fitiavanjanahary Stephane Kennedy, fa “efa mpiantsehatra ara-politika ny tenany. Manampy azy amin’ny fahalalana norantoviny ny fampifandraisan’ny mpitantana ny ESD ny mpianatra amin’ireo mpi­antsehatra vahiny matihanina amin’ny lafiny politika”. « Ilaiko amin’ny fandalinana ny fahaiza-mitantana ny fanjakana tan-dalàna any aoriana izany traikefa izany », hoy ihany izy.
Nisy koa ny andiany Tsy lefy hasina, nisaloran’ny mpianatra nahazo ny Licence. Nambaran-dRasoamanana Faniry Tahinjanahary, fa « tsy hoe lefy hasina ny lalàna nianarana na aiza na aiza alehanay. Maniry aho ny ho lasa Tonian’ny mpampanoa lalàna (Procurerur de la Républi­que) ».

Ray mpiahy ireo andiany roa nahavita fianarana ireo, ny CEO Mathieu Maurice, teratany amerikanina. Niditra mivantana tamin’ny fihaonana ampitain-davitra (visio-confé­ren­ce) ny tenany nandritra ny fotoana, omaly.
Manaraka ny fivoarana niomerika ny sekoly ESD. Napetraka ny vovonana e-learning, nanomboka ny taona 2020, fitaovana enti-mampianatra amin’ny fomba niomerika.

Njaka A.

Partager sur: