Lalam-pirenena : efa vonona ny famatsiam-bola

Vita, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Asa vaventy teo aloha, ny Kly Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, sy ny minisitra vaovao, Rafidison Richard Théodore. Ho an’ity farany, laharam-pahamehana ny hampihodinana ny toekarena, ka asa maika hatao ny fanarenana ny lalam-pirenena RN2, RN7 ary RN4. «  Efa eo am-pelantanana ny famatsiam-bola hanatanterahana ireo, avy amin’ny vola miditra anatin’ny fanjakana (RPI) sy ny avy amin’ny mpamatsy vola vahiny, toy ny Banky iraisam-pirenena, ohatra », hoy izy.
Paikady ny hafainganam-pandeha mifanaraka amin’ny napetraky ny filoham-pirenena. Hanamarinana izany ny hidinana ifotony iarahana amin’ireo orinasa hanao ny asa any amin’ny RN 2, manomboka amin’ity herinandro ity. Tanjona ny hamahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena iny, izay manahirana ny fiarabe mpitatitra.
Nomarihiny fa « tsy mpanao lalana ny minisitra, fa kosa mampiseho ny fahaiza-mitarika. Manao ny lalana ny orinasa sy ny teknisian’ny minisitera ».

Njaka A.

Partager sur: