Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Cola Ligue des Champions”, D2 nasionaly. Nisongadina tanteraka tamin’ity andro voalohany ity ny ekipan’ny FC Theo Sava sy ny Jet Kintana Itasy.
Araka ny vaovao voaray, lavon’ny FC Theo, tamin’ny isa 4 no ho 2, ny Tia Kitra Atsinanana, tany Ambatondrazaka. Resin’ny Jet Kintana, 3 no ho 2, kosa ny AS Comato Atsimo Andrefana, tao Ambositra. Manana isa telo avy, araka izany, ireto ekipa roa ireto. Tsiahivina fa ny klioban’ny AS Fos no hifanandrina amin’ny FC Theo, eo amin’ny andro faharoa.
Ny FCA Ilakaka no hihaona amin’ny Jet Kintana.
Ratsy ny vokatra ho an’ny AS Ste Anne
Tsy nahomby ny ekipan’Analamanga, AS Ste Anne, tamin’ity andro voalohany ity. Resin’ny FCA Ilakaka, tamin’ny isa 4 no ho 1, izy ireo, araka ny vokatra navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny loharanom-baovao iray tao amin’ny AS Ste Anne fa tsy mendrika ho lalao baolina kitra ny zava-misy tany an-toerana satria maro ireo fihetsika tsy mendrika nataon’ny mpilalaon’Ilakaka. Nahazo karatra mena ny mpilalao iray avy ao amin’ny FC A sy ny an’ny AS Ste Anne. Tsiahivina fa ny AS Sphinx Vakinankaratra no hihaona amin’ity tompondakan’Analamanga ity, ny alahady ho avy izao, any Ambositra ihany.
Fitia Randria