Noelin’ny kamboty: miandry fahagagana  i  Perline telo mianaka

Bevohoka telo volana i Ravaonasolo Marie Perlienne, no maty vady. Tsy misy mpiahy izy telo mianaka ka lasa mpatory an-dalana na 4’Mis. Fahaganana andrasany amin’ny Noely, hahita vola ahafahana mody an-tanindrazana sy ho eo anivon’ny fianakaviany.  

Mahonena ny mahita ny mpangataka, indrindra ny reniny mitrotro ny zanany, eny an-dalambe eny! Vao maika anefa mahaontsa ny mandre ny tantaran’izy ireny. Perline, telo mianaka, avy any Andramasina, mpangataka eny amin’ny manodidina ny tonelina Ambohidahy. “Bevohoka ny zanako farany aho no maty ny vadiko. Tsy naharaka intsony ny fidiram-bola,  Voaroka tamin’ny trano. Mitomany noana ny zanakao, tsy hitanao izay atao dia aleo mangataka toy izay mangalatra.” hoy ity renim-pianakaviana ity, mitantara ny manjo azy.

Mpivarotra anana i Perline taloha. Mpitarika sarety, mitaona entana kosa ny vadiny  fahavelona. Maty tamin’ny heritaona sy tapany  ity farany.  Efa-bolana no naha- mpangataka azy efa-mianaka. Mahazo eo amin’ny 5 000Ar eo izy ireo isan’andro. Iny no zaraina ho sakafo. Ny zazakely no tena tsy maintsy manana rano mafana sy mofo foana. Perline kosa indraindray ny hariva ihany vao misakafo.

“Mankeny amin’ny fiangonana tsy lavitra eto no ataonay raha ny amin’ny sasakalin’ny Noely sy ny andron’ny krismasy. Sady mangataka aho  no mitondra ny zanako mankafy ny zava-misy eny am-piangonana ” hoy izy mizara amin’ny maso manganohano, ny fandaharam-potoany. Fahaganana sy vavaka hataony mba hahatafaverina azy telo mianaka any an-tanindrazany. Ho eo anivon’ny fianakaviany

Partager sur: