Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Dojo Rama Antohomadinika, ny seminera niarahana tamin’ny Sensei Séraphin, taranja haiady Jiu-jitsu Breziliana. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho azy ireo nandritra izany. Natomboka tamin’ny fizarana traikefa “GI”, narahan’ny seminera “No-Gi” sy ny “Open Mat” nandraisan’ireo mpizaika tamin’ny seminera anjara. Nofaranana tamin’ny fampiakarana grady ho an’ny mpikatroka eo anivon’ny BJJ One Tribe. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara, satria tonga maro ireo mpikatroka namaly ny fanasana. Ny “clé de Cheville” moa no tena nifantohan’ny seminera, ka manam-pahaizana manokana amin’izany ny Sensei Séraphin. Anisan’ny mpamorona ity klioba BJJ One Tribe ity sady miandraikitra ny ara-teknika izy. Mikasa mbola hanatanteraka seminera izy amin’ny desambra, rehefa mandalo eto an-tanindrazana. Nilaza ho afapo kosa ireo nanatrika, izay naneho fahavononana hatrany hanatrika fiofanana satria ahazoana teknika vaovao ny fanarahana azy ireny. Angady nananana izao seminera izao ihany koa ny Dojo Rama, tantanin-dRamanandraibe Nirina, izay notoloran’ny BJJ One Tribe fisaorana.
Mi.Raz