DAKA AN-JORONY: Natao sanga ka nanakona

Miharihary hatrany ny fisian’ny ady mangatsiaka eo amin’ireo mpisehatra amin’ny taranja baolina kitra. Niteraka resabe indray mantsy ny fanambaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar fa tsy izay olona mamono baolina any amin’ny diviziona fahefatra dia ho antsoina ao anaty ekipam-pirenena avokoa. Tsy niandry ela fa niloa-bava naneho ny alahelony sy ny fahasorenany ireo mpilalao fahiny tao amin’ny Barea. Nitondra fanamarihana sy tsindrom-paingotra tamin’ny mpanazatra.
Valalanina ny mpijery manoloana izany. Ianareo natao ho sanga indray ity no nanakona. Noheverina ho sanga hanome hatsarana ny endrika no toa manaratsy azy. Ny lamba maloto mantsy tsy fanasa imason’olona. Fahendrena rahateo ny mifanatona sy mifampiresaka fa tsy mifanasa vangy ho hitan’izao tontolo izao. Ny teny ifamaliana mantsy mahatsara fihavanana.
Samy tsy afa-miala amin’izao zava-misy izao ny mpisehatra rehetra, na ireo efa nandalo tao na ireo mbola am-periny. Koa aleo mba ho sanga hanome bika fa tsy sanga hanakona. Misy koa anefa ny noheverina ho tandroka, hay manoto. Ianareo indray ve no hatoro fa toy ny mason-drojo ny fiainana ao anaty ekipa, na ety ivelany na eny ambony kianja, mifampitohy sy mifampiankina. Raha io no tapaka, tsy misy baolina maty koa aza manao sanga hanakona na tandroka hanoto.
Samy nahavita be teo amin’ny baolina kitra avokoa na ireo mitondra ny fomba fijeriny miiba na ireo mahita ny miabo. Ny zava-dehibe, mila mijoro maneho amin’ny zandry mpandimby ny tena firahalahiana fa tsy manao ny sasany ho toy ny kitapo afak’entana ka tsy fantatra intsony na ho toy ny angalisa rovin-kazo ka anaran-tsy very no sisa.

Tompondaka

Partager sur: