Nanome tolotra sy fizahana fahasalamana maimaimpoana ho an’ny mponina etsy Anosizato ny Lions Club Antananarivo Farimbona, ny sabotsy lasa teo. Notanterahina tetsy Anosizato Atsinanana, niaraha-niasa tamin’ny boriborintany fahefatra izany.
Hita teny an-toerana, nandritra io fotoana io, ny fanomezan-dra, fitiliana diabeta, fijerena maso, ary fitsapana tosidra. “Betsaka ny olona miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka sy tsy afaka mijery ny toe-pahasalamany eny anivon’ny firaisana fahefatra ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny boriborintany fahefatra, Randrianasolo Jean Claude. Tanjona ny hanampina ny mponina hisitraka tolotra ara-pahasalamana sy ara-tsosialy. Eo koa ny hahafahan’izy ireo manova ny fomba fiaina.
Misy hifandraisany avokoa ny maso, ny tosidra, ny diabeta eo amin’ny toe-pahasalaman’ny olona. Tena himasoana, indrindra mandritra ny hetsika tahaka izao, ny fitiliana ny areti-maso, ao anatiny ny katarakta. “Misy fizahana tosidra ihany koa eny an-toerana satria zavatra iaianan’ny olona andavanandro izy io”, hoy i Abdoul Ibrahim, filohan’ny Lions Club Farimbona. Tsapa amin’izao fotoana fa efa ahitana izany koa na ny tanora aza noho ny fahalasofan’ny fiainana sy ny olana isan-tsokajiny. Misy ny mpitsabo manokana momba ny fo mikarakara izany. “Tokony hijery ny tahan’ny siramamy eo amin’ny vatany avokoa ny olon-drehetra satria manampy betsaka amin’ny fomba fiaina izany”, hoy kosa Randrianaribefitia Bruno, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity fikambanana ity. Toe-piainana io ho an’ny olona tsirairay avy fa mila tsaboina araka ny zava-misy. Ankoatra izay, notolorana biscuits sy yaourt avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ihany koa ireo nisitraka ny hetsika.
Mino