Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kintana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba roa samy nahita fandresena nandritra ny andro voalohany izy ireto. Tsiahivina fa nahazo isa telo tamin’ny As Comato Atsimo Andrefana ny mpilalaon’Itasy rehefa nandavo azy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny andro voalohany. Ry zareo avy atsy Ilakaka, nanamontsana ny As Ste Anne Analamanga, 4 no ho 1. Manana isa efatra avy izany ireto klioba roa ireto amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, nisongadina ny klioban’ny Fc Jaboady Alaotra Mangoro, tany Ambatondrazaka. Resin’ izy ireo, 5 no ho 0, ny Tia Kitra Atsinanana. Tsara marihina fa izay klioba roa isam-bondrona atsy Ambatondrazaka sy Ambositra no manao ny ”Poule des As”. Manana isa iray izao ny ekipan’Analamanga, As Ste Anne. Nanao ady sahala 2 no ho 2, tamin’ny Sphynx Academy avy any Vakinankaratra izy ireo. Nilaza ny tomponandraikitra iray tao amin’ny klioba As Ste Anne fa manana fanantenana ny hiakatra eo amin’ny dingana farany ny ekipa. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa tanjon’ity klioba ity ny hiakatra ao amin’ny fifanintsanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”.
Fitia Randria